Literatiora malagasy : tsy natao ho an’ny mpanala fanadinana fotsiny ihany

  • 25 août 2022

”Tsy natao ho an’ny mpanomana fanadinana fotsiny ny fianarana literatiora fa tena entina hikolokoloana ny taranaka”, hoy Rasoloarivony Ravoahangimampionona, mpampianatra mpikaroka. Mitondra fanabeazana, fahalalana samihafa sy fahendrena ny literatiora ary manana anjara asa amin’ny fampandrosoana ny firenena raha ny fanazavana.

Tantaram-piainana avy eny amin’ny fiarahamonina no hita anatiny, ahafahan’ny tsirairay mamantatra ny tenany. Eny fa na ny tantaran’ny firenena ihany koa aza dia hita anatin’ny literatiora. Ao no hanovozana fahalalana momba ny kolontsaina, hitaizana azy, ahafahana miatrika ny fanatontoloana, mba hifandraisana sy hifanakalozana amin’ny hafa.

Anisan’ny tehezan-kevitra ho velabelarina mandritra ny fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny literatiora malagasy, atao eny amin’ny ENS Ampefiloha, mandritra ny roa andro, koa ny mikasika ny ”literatiora sy ny nomerika’. Heverina fa hitondra ainga vao ho an’ny literatiora ny fampiantiana ny nomerika eo amin’ny tantaran’ny literatiora hoy hatrany ny fanazavana.

 

Partagez :
Mahandry