Spread the love

Anio talata 28 novambra 2023 no hamelabelatra ny votoatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI 2024) ny minisitry Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, araka ny tapaka tamin’ny fametrahana ny lahadiniky ny Antenimierampirenena hatramin’ny 5 desambra izao.

Handalo asam-baomiera izany, ary haroso hodinihina sy holanina amin’ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina ny alakamisy izao.

Vonona hijery ny antsipirian’izany ny mpikambana amin’ny vaomieran’ny Toekarena sy tetibola, hoy ny solombavambahoaka. Ny sosialy sy ny fotodrafitrasa misy fiantraikany amin’ny fiharian’ny vahoaka, hoy izy ireo, no laharam-pahamehana. Hojerena koa raha tafiditra ny tetibola hiatrehana ny fifidianana ho avy dia ny an’ny ben’ny tanàna sy ny solombavambahoaka.

By Romuald

Laisser un commentaire