Lavanilina Analanjirofo: tsara sy mitobaka ny vokatra, ambany ny vidiny

  • 8 juillet 2022

Nanomboka nitobaka teny amin’ny tsena ny lavanilina maitso ao anatin’ny distrika enina mandrafitra ny faritra Analanjirofo hatramin’ny omaly 07 jolay 2022, nanokafana ny tsena tamin’ny fomba ofisialy. Tsy voahajan’ny an-kamaroan’ny mpandraharaha anefa ny fetram-bidy farany ambany 75 000 Ariary napetraky ny Fitondram-panjakana. Tafidina hatrany amin’ny 25 000 Ariary, 30 000 Ariary ny iray kilao, tao Sainte Marie, Soanierana Ivongo, Vavatenina…

Misy ny tantsaha voatery mivarotra, noho ny fahasahiranana sy ny mbola tsy fahafehezana ny fikirakirana ny fahandroana lavanilina. Misy kosa ny tsy nanaiky nivarotra ny vokatra latsaky ny 75 000 Ary, toy ny tao Mananara Avaratra… Mamporisika ny tantsaha sy ny mpandraharaha hanaja ny fenitra sy ny fepetra napetraka ny tomponandriakitra eny ifotony, sady mandroso vaha olana hanatsarana ity seha-pihariana ity

Tao amin’ny fokontany Antsirakoraka, kaominina Maromitety, distrikan’i Vavatenina no ivon-toerana nanokafana ny tsena ho an’ny faritra Analanjirofo, izay toerana mamokatra sy ahitana lavanilina tsara kalitao. Samy nanafatrafatra ny amin’ny tokony hanajana ny fepetra ny goverinoran’ny faritra sy ny talem-paritry ny Varotra  sy ny Fanjifana nandritra izany.

 

Soanierana Ivongo: misy orinasa mividy ny vokatra amin’ny vidiny 75 000 Ariary

Maka ny vokatry ny tantsaha amin’ny vidiny 75 000 Ariary ny orinasa sasany ao amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo. Anisan’izany ny Ste Fanamby izay miara-miasa amina kaominina maromaro. Tsy afaka mividy vokatra amina kaominina tsy anaany fifanaraha-mpiaraha-miasa anefa ity orinasa ity. Hararaotin’ny mpandraharana vidina mora, 25 000 Ar hatramin’ny 30 000 Ariary ny kilaon’ny lavanilinamaitso amin’ny kaomina sasany, arak any fanazavan’ny solombavambahoaka Ramamonjisoa Jhon Whary. Mikaro-bahaolana miaraka amin’ny goverinoran’ny faritra izy ireo amin’izao, hoy ity solombavambahoaka ity, mba hitsinjovana ny tantsaha, satria iankinan’ny fiainan’ny mponina maro ity vokatra lavanilina ity. Anisan’ny nahitana kaominina sasany misy mpandraharaha mividy vokatra 75 000 Ariary koa ny tao amin’ny distrikan’i Maroantsetra.

Vavatenina: be ny tolotra noho ny tinady, hoy ny solombavambahoaka, Mamy Aurélien

Tsara kalitao sady betsaka ny vokatra lavanilina ao amin’ny distrikan’i Vavatenina tamin’ity taom-pamokarana ity, hoy ny solombavambahoaka Mamy Aurélien. Vitsivitsy koa, hoy izy, ny trangana halatra lavanilina tamin’ity taona ity. Tsy mifandanja anefa ny tolotra sy ny tindady, satria mitobaka betsaka eny amin’ny tsena ny lavanilina, vantany vao nisokatra ny tsena. Ny mpividy anefa, etsy an-daniny, vitsy sady tsy misy mifaninana ho fitsinjovana ny tantsaha. Tafidina hatrany amin’ny 30 000 Ariary ny ividianan’ny mpandraharaha ny vokatra.

Soso-kevitra naroson’ity solombavambahoaka ity ny tokony hampivelarana kokoa ny sehatry ny fividianana lavanilina. Tokony ho betsaka sy hahasahana an’i Madagasikara manontolo ny mpividy sy mpanondrana mahazo alalana, mba tsy hisian’ny familafilana ny tantsaha. Tokony hamafisina sy aparitaka koa ny fampianarana ny tantsaha hikirahika ny lavanilina, indrindra ny fahandroana sy fitehirizana ny vokatra. Mbola maro, hoy izy, ny tantsaha tsy mahafehy izany any an-toerana. Tokony hamafisina koany fanentanana amin’ny fidirana anty koperativa.

Etsy an-danin’izay, mamporisika ny tantsaha hiandry ny fotoana mampiakatra ny vidin’ny lavanilina izy ireo vao hampitobaka ny vokatra amin’ny tsena. Hiezaka hanofana ny tantsaha amin’ny fikirakirana lavanilina koa, hoy ity solombavambahoaka ity, ny tomponandriakitra any na-toerana. Ankoatar izay, tokony hatao mialoha ny 26 jona ny tsena any Analanjirofo, hoy izy, mba tsy hisian’ny halatra mandritra ny fety sy ny fiotazana an-tsokosoko mialoha. Nambarany fa matoy ny volana jona avokoa ny ankamaroan’ny lavanilina any amin’ny faritra Analanjirofo.

Sainte Marie: mbola  vaovao sy tsy voafehin’ny tantsaha ny seha-pihariana lavanilina

Anisan’ny tsy voahaja koa ny fetram-bidy farany ambany 75 000 Ariary napetraky ny Fitondram-panjakana ho an’ny ao Sainte Marie, araka ny zava-misy hita hatramin’ny  fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny tsenan’ny lavanilina tao amin’ny fokontany Agnafiafy ny alakamisy 07 jolay 2022. Manodidina ny 25 000 Ariary hatramin’ny 30 000 Ariary no nividianan’ny mpandraharaha ny lavanilina maitso iray kilao, mandrapahariva ny andro tao an-toerana omaly io.

Seha-pihariana vao manomboka mahazo vahana any an-toerana ny tontolon’ny lavanilina.  Mbola azo lazaina ho tsy mahafehy ny fikirakirana izany ny mpamboly sy ny mpividy sasany. Tsy ny mpandraharaha tena mpividy lavanilina koa no tonga any an-toerana fa ireny antsoina hoe irakiraka na mpanera na koa mpanao “Bao lava”.  Anisan’ny mahatonga ny fihenam-bidy izany, araka ny fanazavana azo. Voatery mivarotra ny lavanilina maitso eo am-pelatanany ny tantsaha any an-toerana, na dia mabany aza ny vidiny, noho ny tsy mbola fahafehezana ny fahandroana lavanilina. Voalaza koa fa olona avy amin’ny distrika hafa ivelan’ny nosy Sainte Marie avokao ny 90%’ny mpividy tonga nay.

Mananara Avaratra: tsy nety nivarotra latsaky ny 75 000 Ariary ny tantsaha

Niziriziry amin’ny hivarotana ny vokatra lavanilina ho 75 000 Ariary farany ambany, araka ny nofaritan’ny Fitondram-panjakana foibe ny tantsaha mpamokatra ao amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra omaly, tao anatin’ny fisokafan’ny tsena. Mbola vitsy ny mpividy lavanilina sahy nividy izany tamin’io vidin’io, araka ny fampitam-baovao avy. Andrasana ny hisian’ny fifaninana ara-drariny eo amin’ny samy mpandraharaha sy ny hisian’ny fitsinjovana ny tsantsaha.

Partagez :
Mahandry