Lanonana 26 jona Mahamasina : mpanakanto 23, solon-tena manamarika ny fiombonan’ny faritra 23

  • 25 juin 2022
Ho fampisongadinana ny fiombonana sy ny maha iray ny malagasy dia tarika mpanakanto 23, notsongaina isam-paritra no hanafana ny sehatra etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina rahampitso 26 jona 2022, ao anatin’ny fanamarihana ny tsingerin-taon afaha 62 taona niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara.
Sady mahasolo tena ny faritra no mahasolo tena ny karazana gadon-kira samihafa misy eto Madagasikara koa izy ireo, hoy mpanakanto Jerry Marcos, mpandrindra ny lafiny fampisehoana amin’ity fetim-pirenena ity, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny tomponandraikitra avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny komity mpikarakara ary ny solon-tenan’ny mpanakato tetsy Mahamasina androany maraina.
Tafiditra natin’ny fandaharam-potoana misongadina ny afomanga lehibe anio amin’ny 7ora manerana ny distrika 119. Hisy ny alim-pandihizana hiarahana amin’ny mpanakanto Rossy etsy Anosy, izay anasongadinana koa ny vakodrazana malagasy sy ny fitondrana harendrina. Rahampitso manomboka amin’ny 9 ora ny matso etsy Mahamasina, arahana hetsika samihafa, faranana amin’ny fampisehoana goavana aton’ny mpanakanto.
Partagez :
Mahandry