Lalaon’ny Frankôfônia- Hip Hop: andrandraina ny fandresen’ny Moustik Crew.

  • 2 août 2023
Niaka-tsehatra voalohany, ny Moustik Crew, omaly. Ekipa malagasy eo amin’ny hip hop, miady medaly aty Kinshasa, RD Congo, anatin’ny Lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy. Nampihoraka ny mpijery rehetra, na ny tompon-tanàna aza ny sehon-dry zalahy taizan’i Angeluc Rehava ireto. Andrandraina mafy, araka izany, ny hitondran’izy ireo medaly mody. Tafakatra hiatrika ny « battle » anio ry Moustik Crew, izay sady dingan’ny famaranana koa.
Raraka teo amin’ny ampahefa-dalana kosa ny ekipan’ny Pi Freestyle, raha nifandona « battle » tamin’i Cameroun. Nitovy ny isa tamin’ny voalohany, ka niditra tamin’ny « battle » nataon’ny solon-tena iray avy isaky ny ekipa. Teo no naharesy ny ekipa malagasy ka lasa laharana fahadimy.
Tontosa omaly koa ny fampahafantarana ireo nandrombaka ny medaly tamin’ny sokajy literatiora. Tsy anisan’ireo niakatra podium anefa i Narda Natioranomena, solon-tena malagasy.
Raha ny fantatra dia rahampitso vao hahazo vokatra amin’ny sokajy hira isika. Ny fifaninana sary sy sikotra ary hosodoko dia ho fantatra amin’io alakamisy io koa ny vokatra. Ireo farany ireo mbola anatina asa famoronana tanteraka amin’izao fotoana izao.
Partagez :
mialy