Lalao ara-pirahalahiana : hiatrika ny Lusitanos ny Barea U-21/U-23

  • 5 novembre 2021

Ao anatin’ny fanomanana ny lalao olaimpika 2024 hatao any Paris sy ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2026 any Etazonia sy Kanada ary Meksika ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra.

Misy ny fiaraha-miasa amin’ny sendikan’ny mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena sy ny mpanatanteraka fanatanjahantena malagasy na ny “UFICASM” ahafahana manomana izany izay efa vita sonia. Hisy avy hatrany ny lalao voalohany eo amin’ny Barea U23 sy ny US LUSITANOS ny asabotsy 13 novambra izao ao amin’ny Stade Chéron Saint-Maur, Frantsa.

Ireto ireo mpilalao voatso hiatrika izany : Allan RAKOTOVAZAHA (20 ans, US Créteil L), Melvin RAFIAKARANA (15 ans, Soissons IFC) no eo amin’ny toeran’ny mpiandry tsatokazo.

Ireo vodilaharana kosa dia ahitana an’i Sandro RABARIVONY (18 ans, Stade Lavallois FC), Joao RAZANADRAIBE (18 ans, AS Saint-Ouen l’Aumône), Mick RAFIAKARANA (18 ans, Aubagne FC), Sitraka ANDRIAMBOLANORO (22 ans, Olympique Girou FC), Lucas RAKOTONDRABARY (17 ans, US Villejuif Football), Matis RAKOTOMAHANINA (18 ans, Chambly FC), Denny BITENY (16 ans, ESMGO Normandie), Evan LONGCHAMP (16 ans, LOSC).

Ireo mpilalao afovoany : Josoa Lucas RAMAROMIANTSO (20 ans, FC St-Médard), Kristensen RAMIANDRISOA (19 ans, J.Villanavaise Foot), Kalvin RAFIAKARANA (17 ans, Soissons IFC), Rayan RAKOTOARISOA (17 ans, Tours FC), Steeven Lantoniaina CARD (16 ans, SC Narbonne M), Guy ZIZOU (16 ans, ESTAC Troyes), Maël CHAN PENG 18 ans, US Palaiseau Football), Abdoulaziz (20 ans, RCSC La Chapelle Saint-Luc).

Ireo lohalaharana kosa dia Sayah SEHA (16 ans, ESTAC Troyes) , Mahery RAKOTOBE (17 ans, FC Metz), Manda Wanya RAKOTONIAINA (21 ans, Olympique de Missiri), Sidney WALTER (20 ans, RCSC La Chapelle Saint-Luc), Mohamed HADJI (21 ans, FCM Troyes), Ahmed ABDOURAZAK (16 ans, ESTAC Troyes) ary Alex FAUCHARD (18 ans, US Colomiers Football) sy Jonathan Elio PASCAL (17 ans, FCM Troyes).

Partagez :
Mahandry