Lalao Afrikanina andiany faha-13 : mitana ny laharana faha enina vonjimaika i Madagasikara

  • 11 mars 2024

Mitana ny laharana faha-6 i Madagasikara eo amin’ny fahazoana medaly. Mitotaly 10 hatreto ny medaly azon’ny atleta malagasy any Accra (Ghana) ka 3 medaly volamena, 1 medaly volafotsy ary 6 medaly alimo.

Éric Andriantsitohaina no nahazoantsika medaly volamena (3) teo amin’ny taranja fibatana fonjamby teo amin’ny sokajy latsaky ny 55 kg. Teo amin’ny sokajy latsaky ny 49 kg, nahazo medaly volafotsy iray sy alimo roa i Sabrina Andriamitantsoa ary teo amin’ny sokajy latsaky ny 45kg, nahazo medaly alimo iray i Fabia Andriamitantsoa.

Ankoatra izay dia nahazo medaly alimo telo ihany koa isika tamin’ny alalan’i Fenosoa Rakotobe teo amin’ny taranja karate kumité vehivavy latsikin’ny 50 kilao, Karen Raharimanana sy Fabio Rakotoarimanana teo amin’ny taranja tenisy ambony latabatra lalaovin’olondroa ary Fy Rakotomaharo sy Aina Tsinjoviniavo teo amin’ny lalao « Echecs » isan-tarika.

Partagez :
Mahandry