Lakan-dranon’i Pangalana : mitohy ny fanatsarana azy

  • 5 juillet 2024

Tsy mitsahatra manatsara ny fahafahana mivezivezy eo amin’ny lakan-dranon’i Pangalana ny minisiteran’nyFitaterana sy ny Famatarana ny toetrandro amin’ny alalan’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale). Tafiditra ao anatin’izany ny fikarakarana sy ny fanatsarana ary ny fananganana ireo fotodrafitrasa any amin’ireo faritra manodidina miaraka amin’ireo mpiara-miombin’antoka. Marihina fa misy ireo fotodrafitrasa amboarin’ny APMF amin’ny alalan’ny kitapom-bolany manokana mba hahafahan’ny olona mivezivezy sy mihanoka ny tombontsoa rehetra amin’iny lakan-drano iny.

Notanterahina ny 4 jolay 2024 ny fivoriana voalohan’ny komity iraisan’ireo minisitera sy ireo komity mpitantana ny tetikasa mikasika ny lakan-dranon’i Pangalana. Tanjona ny hijerena ny mety ho tombontsoan’ny rehetra, ny seha-pihariana izay azo trandrahana manodidina ny lakan-drano. Isan’ny lalana faran’izay akaiky ary tsy mandoto tontolo iainana ny fitaterana an-dranomamy raha mitaha amin’ny fitaterana an-tanety araka ny nambaran’i Dina Rakotomalala, Tale jeneralin’ny fitaterana an-dranomasina, an-tanety, ana habakabaka.

Manan-danja lehibe eo amin’ny lafiny fitaterana ny lakan-dranon’i Pangalana noho izy mampisokatra faritra maro , eo koa ny fahamoran’ny saran’ny fitaterana entana ary ny resaka fanatsarana tolotra fitaterana amin’ny faritra manodidina izay tena mivelona amina toekarena isan-karazany toy ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, ny fizahantany ary ny resaka fitaterana izay mampitohy an’i Toamasina sy Mananjary

Partagez :
Mahandry