Korea-Madagasikara : hanangana ” complexe rizicole”

  • 5 juin 2024

Naneho ny fahavononany amin’ ny fananganana ” complexe rizicole” eto Madagasikara ny firenena Korena. Tafiditra ao anatin’ izany ireo dingam- pamokarana sy ny fanodinana hatramin’ ny fivarotana azy ,eo ihany koa ny famokarana masomboly sy ny fizarana ireo teknolojia vaovao mifanaraka amin’ izany, izay mahazaka ny fiovaovan ‘ ny toetry ny andro , ary ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza- manao sy ny traikefan’ ireo teknisianina.

Nahomby araka izany ny fihaonana an- tampony Korea-Afrika. Isany mifanaraka amin’ny politika fanjakana io fifanarahana izay natao io sy ny famerenana an’ i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe Indianina mba hahatratrarana ny fahavitan- tena ara – tsakafo .

Partagez :
Mahandry