Kopia faobe : “Tsy misy resaka politika”, hoy ny minisitry ny Fitsarana

  • 14 septembre 2022

An-tapitrisany ireo tsy olona manana kopia sy kara-panonondrom-pirenena eto Madagasikara, araka ny vaovao voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana.

Tsy ny fifiadianana ihany  no ilana kopia fa vao iditra hianatra ny zaza iray dia efa takiana izany, toy izany koa raha hikarakara antontan-taratasy toy ny fitadiavana asa na fikarakarana passeport.

“Tsy misy resaka politika, araka izany ny fanaovana kopia faobe sy ny fikarakaraka kara-panondro ho an’ny vahoaka”, hoy ny minisitra Rakotozafy François. “Asa fanaon’ny mpitsara amin’ny andavanandro sy mandavan-taona ny fitsarana mitety vohitra izany fa tsy zava-baovao”, hoy izy.

“Tsy natao tefy maika fa mazava ny volazan’ny lalana 2018-027 andininy faha 111-112 mahakasika ny sora-piankohonana hoy hatrany ity minisitra ity.

 

 

 

Partagez :
Mahandry