Kolontsaina : niaka-tsehatra tao amin’ny Oniversite an’i Sorbonne ny kabary Malagasy

  • 30 mai 2023

Nandritra ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy na ny FIMPIMA, sy ny faha-100 taonan’ny « Académie des sciences d’outre-mer » dia nanatanteraka seho an-kabary tao amin’ny efitrano lehibe tao amin’ny Oniversiten’i Sorbonne Paris ny zoma 26 mai 2023 lasa teo, i Ratovoson Domoina, mpikambana avy ao amin’ny FIMPIMA Montpellier sady Talen’ny arisiva zo anivon’ny foibe FIMPIMA maneran-tany.

Mpikambana avy amin’ny sampana maro no tonga nifanotrona tao Sorbonne, ankoatra ny tao Frantsa, dia tonga ihany koa ny avy any Benelux sy Norvège.

Nankafizin’ireo mpanatrika ny hakanton’ny kabary, nafonja rahateo ny hafatra nampitainy hany ka nirefodrefotra ny lamako tao aorinan’ny kabary izay natao. Manam-pahefana maro , masoivoho avy amin’ny firenena samihafa, akademisiana, olo-manan-kaja maro maherin’ny 900 no nanotrona izao lanonana izao. Hita tao ihany koa ny filohan’ny FI MPI MA maneran-tany.

Tsara ny manamarika fa efa vakoka azo tsapain-tanana ho an’ny Zanak’olombelona eo anivon’ny UNESCO ny kabary, araky fanazavan’ny filohan’ny FIMPIMA maneran-tany, Ramatoa Andriamboavonjy R. Hanitriniaina, nandritra ny fandraisam-pitenenany.

Partagez :
Mahandry