Kolikoly eny  Ivato : Handraisana fepetra hentitra ireo tompon’andraikitra voakasika

  • 4 juin 2024

Tafapaka any amin’ny Filohan’ny Repoblika ny fitarainana mikasika ny fanararaotana sy ny fisiana kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Nambarany nandritra ny fihaonany tamin’ny malagasy monina any Korea atsimo, omaly  fa tsy maintsy handraisana fepetra ireo mpiasa manao izany endrika mamohehatra izany, izay mandratsy endrika an’i Madagasikara.

Vantany vao miverina avy any Korea izy dia tsy maintsy hanao fidinana ifotony eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. «  Mila hatsaraina ny tolotra omen’ireo seham-panjakana maro samihafa » hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Partagez :
Mahandry