Kitram-pokontany “Andao Zandrikely”: Ecole de Foot Cité Ambodin’Isotry no nibata ny amboara

  • 23 août 2021
Nibata ny amboara tamin’ny fifaninanana kitram-pokontany “Andao Zandrikely”, sokajy latsaky ny 13 taona, ny ekipa avy ao amin’ny Ecole de Foot Cité Ambodin’Isotry. Resiny tamin’ny isa 3 noho 1 ny ekipan’ny Boriboritany fahadimy nandritra ny famaranana ny kitram-pokontany sokajy U13, izay natao tetsy amin’ny kianja “gymnase Mahamasina” omaly alahady 22 aogositra 2021.
Hojerena manokana ireo zazalahy nandray anjara tamin’ny fifaninanana, hoy ny talen’ny fanatanjahan-tena eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Raha ny fanazavana hatrany, afaka mandray anjara amin’ny lalao eo amin’ny sehatra nasionaly izy ireo raha misy ny fandraisana an-tànana.
Natao indrindra hanomezana sehatra ny ankizy amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao ny lalao, ary atao eny anivon’ny fokontany sy ny boriboritany eto an-drenivohitra.
Vu par Taratra Henintsoa à 07:41
Partagez :
Mahandry