Sport

Kitra – tompondakan’ny ligy : hatao ny 20 hatramin’ny 29 Aogositra

Ho tanterahana ny 20 ka hatramin’ny 29 Aogositra izao ny fiadiana ny tompodakan’ny ligy  (ligue des champions), taranja baolina kitra, diviziona faharoa. Klioba 24 avy amin’ny ligim-paritra 22 no handray anjara amin’izany. Toerana efatra no hanaovana ny lalao dia Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, ary Toliara.

Ity fifaninanana ity dia entina hamaritana izay klioba ho afaka handray anjara amin’ny Orange Pro League amin’ny taom-pilalaovana manaraka.  Ny Federasiona Malagasin’ny baolina kitra (FMF) miaraka amin’ireo tompon-daka rehetra amin’ny ligy 22 tamin’ny lalao farany no mikarakara ity hetsika ity.

Fomba iray entina hampivelarana ny baolina kitra amin’ny lafivalon’ny nosy  ity fifaninana ity, no sady ahafahan’ireo teknisianina ao amin’ny FMF mamantatra ireo tanora manan-talenta.

Tags

Articles similaires

Laisser un commentaire