Kianja Barea : hivantana amin’ny Radio sy Televiziona Malagasy ny lanonana sy ny lalao

  • 2 septembre 2021

Samy hivantana ao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy sy ny Televiziona Malagasy avokoa ireo fotoana telo lehibe mahakasika ny kianjan’ny Barea sy ny lalao baolina kitra tafiditra ao anatin’ny fifanintsanana Mondial 2022.

Voalohany amin’izany ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisaly ny kianja Bare any alakamisy 2 septambra izay manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro.

Faharoa ny lalao voalohany ao amin’ny kianja Barea hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny Eucureuils an’ny Bénin izay amin’ny 7 ora hariva.

Ny fahatelo dia ny lanonana goavana fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny Kianja Barea miaraka amin’ny vahoaka malagsy ny sabotsy 4 septambra izay manomboka amin’ny 1ora tolakandro.

Partagez :
Mahandry