Kianja Barea: Hanomboka ny 28 aogositra ny fizarana tapakila

  • 27 août 2021

Hanomboka rahampitso sabotsy 28 aogositra ny fizarana maimaimpoana ireo tapakila ahafahana miatrika ny fanokanana ny kianja Barea Mahamasina sy ny lalao hiaonan’i Madagasikara sy Benin (fifanintsanana mondial 2022 Qatar).

Manoloana ny kianja Mahamasina no hizarana izany. Trano  lay miisa efatra no hatsangana eny antoerana ahafahana mizara izany hatramin’ny 31 aogositra izao. Ireo trano ireo dia ho afaka handray olona manomboka amin’ny 8ora  maraina ka hatramin’ny 5ora harina. Samy hanana ny lokony izy ireo ka miakina amin’izany ny toerana ho azon’ny olona hipetrahana ao amin’ny kianja toy ny  “tribunes” sy ny “ gradins”.

Mandritra ny andron’ny fitokanana sy ny lalao dia efa hisy tompon’andraikitra handamina sy hametraka ny tsirairay araka ny toerana mifandraika amin’ny tapakila hananany. Tsiahivina hatrany fa mila mitondra karapanondro izay haka izany eny antoerana ahafana mandamina sy mirakitra ny mombamomba ny tsirairay ary ireo tsy ampy taona kosa dia  tsy maintsy hoentina miatrika ny fakana ny tapakila.

Ity kianja ity izao navaozina tanteraka ka afaka handray olona maherin’ny 40 200, manolona ny toe-draharaha ara-pahasalamana ankehitriny anefa dia ny 50% ihany no ho afaka ampiasina, ahafahana manaja ny fepetra ara-pahasalamana.

Partagez :
Mahandry