Karatra maha-mpanao gazety matihanina : hanomboka ny talata 10 oktobra ny andiany fahatelo.

  • 6 octobre 2023
Hatomboka ny talata 10 oktobra 2023 ny fizarana ny karatra maha-mpanao gazety matihanina, andiany fahatelo.
Ho an’ny eto Antananarivo, azo raisina eny amin’ny foibe toeran’ny Ordre des journalistes de Madagascar eny Ambohidahy ny karatra. Manomboka amin’ny 9ora maraina ka hatramin’ny 12ora 30 antoandro ny fizarana izany.
Ho an’ny faritra ivelan’Analamanga, halefa any amin’ny filoha lefitry ny OJM isam-paritra ny karatra, manomboka io talata io ihany koa.
Ampahatsiahivina mba handoa ny saran’ny karatra 20 000ariary mialoha io fotoana io, ho an’ireo tsy mbola nanefa izany, amin’ny kaonty Mvola 0340132201 amin’ny anaran’i Vonona Rakotondratsimba. Asiana sarany handraisana azy sy arahana Sms milaza ny anarana sy ny faritra iasana.
Partagez :
Romuald