Kaominina Alasora : Mihatra ny « couvre-feu » manomboka amin’ny 9 ora alina.

  • 27 juillet 2023

Tsy azo atao ny mivezivezy manomboka amin’ny 9 ora alina ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Alasora araka ny didim-pitondrana navoakan’ny kaominina.

Mikatona araka izany ny toeram-pisotroana sy « Karaoke » rehetra any an-toerana manomboka amin’ny 9 ora alina. Tsy azo atao koa ny manao lanonana mihoatra ny amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina raha tsy nahazo alalana avy amin’ny Kaominina.

Noraisina izao fanapaha-kevitra izao taorian’ny fanafihana nihatra tamina tranom-barotra iray teo Ankadindratombo, Kaominina Alasora ny harivan’ny 26 jolay 2023 ka nahafatesana olona iray. Mila mitondra kara-manga sy karapanondrom-pirenena ireo izay tsy maintsy miasa amin’ny alina.

Partagez :
Mahandry