Kakao malagasy : lohalaharana i Madagasikara amin’ny hatsaran’ny kalitaon’ny kakao maneran-tany.

  • 17 octobre 2023

Madagasikara no mitana ny laharana voalohany  indrindra amin’ny hatsaran’ny kalitaon’ny kakao maneran-tany na ny « Cacao fin 100% » araka ny didy navoakan’ny ICCO na ny Vondrona Iraisam-pirenena momban’ny kakao ny  alakamisy 12 Oktobra 2023 lasa teo.

Nohon’ny lazan’ny kakao malagasy maneran-tany, misy fiantraikany eo amin’ny vidim-bokatra eo amin’ny tsena Iraisam-pirenena izany.  Mipaka tanteraka eny amin’ny mpamboly koa izany satria hita fa misy fiakarany ny vidim-bokatra eny ifotony.

Marihina fa nampiantrano ny fivoriana lehibe an’ireo manam-pahaizana momban’ny kakao tsara kalitao indrindra i Madagasikara ny 13,14 jona 2023. Miisa 12 mianadahy ny mpandray anjara tamin’izany, izay avy amin’ny rafi-panjakana sy sehatra tsy miankina nisolo tena ireo firenena mpamokatra kakao.

Nandalo teo ambany mason’izy ireo ny kakao malagasy, ary nalefany avy hatrany  tany amin’ny Vondrona iraisam-pirenena misahana ny kakao tany Abidjan Côte d’Ivoire ny kalitaon’ny kakao malagasy, ary izao nambara fa mitana ny laharana voalohany izao.

Partagez :
Carinah Mamilalaina