Economie

Jono eto Madagasikara: ahafahana mamorona asa manodidina amin’ny 300 000 sy miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Efa ho 2 taona mahery izay no tsy nahita mangirana ny sehatry ny jono teto Madagasikara, noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19 izay tsy nahafahana nivezivezy sy namoaka ny vokatra. Teo koa ny mbola fitambarana tamin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, izay tsy nahafahana nampiroborobo manokana ity sehatra ity.

Tsy maintsy mivelatra amin’ny fitrandrahana ny jono an-draomamy isika, hoy ny minisitry ny Jono sy Toekarena manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert, raha te hanatratra ny tanjona amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary ny fananana asa sahaza sy mahavelona. Efa miroso amin’ny fitarihan-dalana sy fanampiana ny mpisehatra amin’izany ny Minisitera, amin’ny alalan’ny fanofanana sy famatsiana zana-trondro.

Manana renirano manodidina amin’ny 40 isika eto Madagasikara. Mahatratra hatrany amin’ny 9 000 km ny halavan’ireo renirano ireo. Manana farihy mahatratra 155 000 Ha koa i Madagasikara. Raha vita ny fitrandrahana sy fanomezana lanja ny 10%n’ireo rano an-tanety ireo dia azo atao ny mamokatra trondro 100 000 hatramin’y 150 000 taonina isan-taona. Mety hampidi-bola 1 200 miliara Ariary isan-taona izany vokatry ny jono an-dranomamy izany, ary  afaka mamorona asa maherin’ny 100 000.

Raha ny zava-misy amin’ny jono an-dranmasina anefa amin’izao, dia manodidina amin’ny 100 000 ny isan’ny mpanjono mitrandraka ny velaran-dranomasina 1 141 000 km2 ananantsika. Mamelona olona hatrany amin’ny 1 500 000 izany, ary mampidi-bola hatramin’ny 700 000 000 000 Ariary isan-taona.

Raha ny tarehimarika navoakan’ny minisitera, dia tokony ho afaka mamokatra hazandrano 200 000 tanina isan-taona i Madagasikara (Potentialité halieutique). Tanjona efa tratrarin’ny minisitera amin’izao fotoana izao ny hahazoana vokatra 100 000 hatramin’ny 150 000 taonina isan-taona avy amin’ny rano an-tanety. Amin’ny alalan’ny famatsiana zana-trondro ho an’ny mpiompy sy fanampiana ny mpandraharaha no anatratrarana izany.

Raha atambatra ny vola tokony hampidirin’ny jono an-dranomasina sy ny an-dranomamy rehefa vita ny fampiroboroboana ny 10% jono an-tanety dia mahatratra 1 800 ka hatramin’ny 2 000 miliara Ariary isan-taona. Afaka mamorona asa 200 000 hatramin’ny 300 000 ho an’ny Malagasy izany.

Vinan’ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga ny hametraka ny sehatry ny jono sy harena anaty rano mba ho isan’ny kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara, amn’ny alalan’ny fametrahana ny fitondrana tsara tantana sy ny fampiroboroboana ity seha-pihariana ity.

Tsenaben’ny hazan-drano: anisan’ny paikady ampahafantarana ny otrikarena anaty rano misy, ampifandraisana sy anampiana ny mpisehatra.

Ho firosoana amin’ny fanatratrarana ny tanjona napetraky ny Minisitera no antony ikarakarana ny foara “Tsenaben’ny hazandrano” (foire des produits halieutique) mandritra ny 3 andro (29, 30, 31 oktobra 2021 ao Mahamasina), ary sambany vao nisy azy ity teto Madagasikara. Atao izany mba hahafahana mampahafantatra an’izao tontolo izao sy ny Malagasy manontolo fa manan-karena i Madagasikara. Aranty ao avokoa ny karazana vokatra sy fandraharahana misy amin’ny tontolon’ny hazandrano. Sady afaka mivarotra sy mifandray amin’ny mpandraharaha, araka izany, ny mpanjono. Tranoheva 80 mahery no ampirantiana ny vokatra, ahitana fikambanana mpanjono, sy vondrona mpandraharaha, mpinadraikitra toeram-pisakafoana avy amin’ny lafy valon’ny Nosy.

Anisan’ny vokatra andrasana amin’ny hetsika ny mba hisian’ny mpandraharaha maro hirotsaka amin’ny fampiasam-bola sy famoronana asa amin’ny sehatry ny jono, hanatona ny Minisitera amin’ny fijerena ny fomba anamorana sy amahana ny olana momba ny fandraharahana ataony.

Nomarihina nandritra ny fanokafana ny foara fa efa nanomboka tany amin’ny taon-jato faha 5 no nisy an’izany “foire” izany voalohany maneran-tany.

Ankoatra izay, paikady napetraky ny Minisitera koa ny fifandresen-dahatra ampirisihana ny Malagasy hirotsaka misimisy kokoa amin’ny fitrandrahana mifandraika amin’ny harena anaty rano. Apetraky ny Minisitera ny anton-kevitra stratejika rehetra ahafahana mametraka ny sehatry ny jono mba ho isan’ny kitro ifaharan’ny fampivoarana ny toekarem-pirenena ao anatin’ny fitondrana tsara tantana.

 

Fitadiavana lalam-barotra: mbola olana ho an’ny mpanjono eto Madagasikara.

Anisan’ny tonga nampiranty vokatra tamin’ity tsenaben’ny hazandrano ity i Tsiva Constand, avy amin’ny Federasionan’ny mpanjono ao amin’ny Bail d’Antongile, tapany avaratra amin’ny faritra Analanjirofo. Misy fikambanana hatrany amin’ny 104 ahitana olona 2 000 avy amina kaominina 15 ity federasionina ity. Ary manana vokatra ana arivony taonina isaky ny fe-potoam-panjonoana.

Vokatra isan’ny mampiavaka ny ao amin’ny heli-dranon’i Antongile ny horita, ny dingadingana (concombre de mere). Mitantana tahirin-trondro maherin’ny 1 taonina ny fikambanana isam-pokontany. Isan-telo volana izy ireo no mamoaka ny vokatra horita, isaky ny 8 volana ny trondro rehetra, ary isan-taona ny dingadingana; miankina amin’ny habetsaky ny tahiry.

Olana tsy ahafahana mampivelatra ny fiharian’ny mpanjono manodidina ny heli-dranon’i Antongile ny tsy fahitana lalam-barotra. Betsaka ny vokatra saingy tsy misy ny mpanangom-bokatra na mpandraharaha vaventy mividy ny entana. Ny samy eo an-tanana manodidina ihany no manjifa ny entana, amin’ny vidiny ambany.

Antony mampitoetra io tsy fahitana lalam-barotra io ny haratsin’ny lalam-pirenena faha 5 (RN5) avy ao Soanierana ivongo, mankany Maroantsetra, mihazo ny toerana misy ireo mpisehatra ireo.

Noho izany, sady manararaotra mivarotra ny solon-tenan’izy ireo nandritra ny tsenaben’ny hazandrano no mikaroka lalam-barotra, ary manao antso avo amin’ny hanamboarana ny RN5 mba hahafahana mampivelatra ny tsena anatiny eto Madagasikara.

Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna: sambo 2 monja no anaraha-maso ireo sambo 500 mahery mivezivezy an-dranomasin’i Madagasikara.

Misy sambo 500 hatramin’ny 700 isanandro no mivezivezy amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara.  Velaran-dranomasina midadasika, mahatratra 1 141 000 km2 no ananantsika, andalovan’ireo sambo ireo, ary mirefy 5 603 km ny sisin-dranomasina.  Sambo 2 monja no ananan’i Madagasikara, entina manara-maso sy miady amin’ny jono tsy ara-dalàna, izany hoe ireo jono tsy ara-dalàna, tsy misy fanambarana (Pêche INN: pêche illégale non déclarer et non règlementer).

Tsy ho vitan’ny Malagasy irery ny fiarovana io sisin-dranoasina io. Ilaina ny fiaraha-miasa sy fifampiresaha amin’ny herivelona rehetra, hoy ny minisitra mahatante Paubert.

Ankoatra izay, anisan’ny mampihemotra ny firenena sasany te-hiroso amin’ny fanjonoana sy fividianana trondro avy eto Madagasikara ny fisian’ny jono an-tsokosoko ataon’ny firenena sasany sy ny olana mahakasika ny fifanarahana momba ny jono “accord de pêche”. Miandry ny fivoahan’ny fitanana an-tsoratra ny fivoaran’ny fanavaozana io “accord de pêche” io, hoy ny minisitry ny Jono. Efa misy ny ady hevitra nifanaovana tamin’ny firenena maro, toy ny avy amin’ny Vondrona eoropeanina. Fifanarahana ahazoan’ny rehetra tombony (win win) no tanjona, ary ahafahan’ny firenena rehetra te hiantsehatra eto Madagasikara miasa sy mitrandraka ny karazana trondro rehetra.

Fihinanana trondro: atao fanoitra iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Mbola ambony ny tahana tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara, na dia manan-karena karazan-tsakafo aza; anisan’izany ny hazandrano.

Raha ny antontanisa maneran-tany navoakan’ny Sampan-draharaha maneran-tany misahana ny sakafo sy ny fambolena (FAO) dia olona 800 000 000 no tratry ny tsy fanjarian-tsakafo maneran-tany; izany hoe  olona 1 ao anatin’ny 9. Manodidina amin’ny 7, 8 lavitrisa ny mponina eran-tany, ary mety ho tafakatra 10 lavitrisa amin’ny taona 2050. Ahina ao anatin’izany ny hiakaran’ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Raha ny eto Madagasikara indray, manodidina amin’ny 1, 6 tapitrisa no tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon’ny Nosy. Mananiky ny 42%n’ny zaza latsaky ny 5 taona voakasika ao anatin’izany.

Ambony, araka izany, ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo, nefa mbola ambany dia ambany ny tahana fihinanana vokatra an-dranomasina na an-dranomamy.

Raha ny salanisa maneran-tany aloha dia 18 kilao isana olona, isan-taona ny fihinanana hazandrano.  Ho an’ny Afrika indray, manodidina ny 11 kilao isana olona, isan-taona ny fihinana hazandrano. Mbola 4,26 kilao isam-batan’olona, isan-taona monja izany eto Madagasikara.

Manana adidy sy andraikitra hampiakarana izany taha izany, mba handresena ny tsy fanjarian-tsakafo ny rehetra, na ny Minisitera sy ny tomponandraikitra isan-tokony, ary ny mponina tsirairay.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer