JO Tokyo: andrasana ny vokatra ho an’ny Atleta malagasy iray hiaka-tsehatra farany
- 28 juillet 2021
Miandry ny fandaharam-potoana hiakarany kianja, amin’ny Lalao Olaimpika atao any Tokyo Japon ilay Atleta malagasy, Todisoa Franck Rabearison, fanta-daza amin’ny tontolon’ny hazakazaka 400 metatra. Tombanana ho Atleta manana herijika ahafahana mandrombaka medaly, hiarovana ny voninahi-pirenena i Todisoa. Isan’ireo sangany aty Afrika amin’ny hazakazaka 400 metatra. Miofana amin’ny ivo-toeram-panazaran-tena isan’ny avo lenta ao Maorisy izy; vao avy nanavao ny fifanarahana tao amin’ny « Centre international d’athlétisme de Maurice », tamin’ity taom-pilalaovana 2021 ity, ary mbola ao an-katoky ny fanaovana “Stage” ao Maurice, noho ny fahazoana vatsim-pianarana avy amin’ny « Conférence des ministres de la jeunesse et des sports de la francophonie » (Confejes). Samy efa raraka avokoa ireo Atleta dimy mianadahy efa nahavita ny anjarany. Damiella Nomenjanahay, omaly 27 jolay 2021, lavon’ilay tera-tany Italianina Maria CENTRACCHIO, teo amin’ny taranja Judo, sokajy latsaky 63 kilao. Tamin’ny alahady 25 jolay 2021, Murielle Rabarijaona, niatrika ny taranja lomano, 400 metatra, sokajy vehivavy: vitany tao anatin’ny 4mn 28s 41/100, tafiditra amin’ny zava-bita 11 tsara indrindra aty Afrika. Ho an’i Michael Rasolonjatovo, teo amin’ny lomano mitsilany, 100 metatra, sokajy lehilehy, vitany tao anatin’ny 59, 81s ny azy, niakarany ho amin’ny laharana faha 17 mendrika indrindra amin’ny Afrikanina, raha laharana voalohany kosa eto Madagasikara, tamin’ny fe-potoana 59, 35s. Teo amin’ny taranja Fibatana fonjam-by koa dia samy tsy tafakatra amin’ny dingana manaraka avokoa i Tojo sy Eric Andriantsitohaina, tamin’ny lalao natao ny alahady teo ihany.