Jirofo :nihatsara ny vidiny

  • 2 novembre 2023

Araka ny navoakan’ny  avy ao amin’ny  Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ,  dia  niakatra avo roa heny no ho ny tamin’ny teo aloha ny vidin’ny jirofo . Araka izany raha 10 000ar ny vidin’ny iray kilao amin’ny jirofo eny amin’ny mpamboly teo aloha , dia tafiakatra maherin’ny 20 000 ar izany raha vao nanomboka ny taom-piotazana tamin’ity taona ity .

Ankehitriny efa afaka  manondrana mivantana  ny vokatra  ireo kaoperativan’ny mpamboly jirofo ,tao aorinan’ny nivoahan’ny lalàna momba ny Orinasa kaoperativa .Mbola maro ireo Orinasa miandrandra ity fahazoan-dalana ity  ary ao  anatin’ny fikirakirana sy fandinihana ireo atontan-taratasy fangatahana fahazoan-dalana hanondrana jirofo na fanavaozana izany ny MICC amin’izao fotoana izao.

Mitsahatra vonjimaika, araka izany, ny fanondranana jirofo fa afaka manondrana avy hatrany kosa ireo nahazo ny agrément raha vao mivoaka ny lisitr’izy ireo. Marihina fa efa nisokatra tamin’ny ny 25 septambra 2023 ny taom-piotazana vihin-jirofo (clous de girofle).

Partagez :
Mahandry