“Jiro ho anao”, vahaolana vonjy maika ho an’ireo toerana tsy misy tambazotran’ny Jirama
- 9 novembre 2021
Hametraka tolotra famatsian-jiro tsy mila sy mitaky tamban-jotran-Jirama ao Katsepy ny minisitera misahana ny angovo sy ny akoran’afo ho famahana ny olana vonjy maika ny tsy fisian-jiro ao an-toerana.
Tolotra amin’ny alalàn’ny Kojakoja ahitana takela-masoandro miampy jiro takamoa miisa 4 no azon’ireo maniry anjifa azy araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Jirama ,ary mirary no sady sahaza ny rehetra ny vidin’izy ireo.
Ny fisoratana anaran’ireo ho an’izay maniry hisitraka io tolotra io dia eny anivon’ny fokontany ka ahafahan’ny Jirama mametraka ny jiro. Voalaza fa haverina manontolo amin’ireo mpanjifa ny vidin’ireo kojakoja amin’ny fotoana hanefan’izy ireo ny Saran’ny fampidiran-jirony. Mora ampiasaina, herinaratra maharitra, satria eo amin’ny adin’ny 5 na 6 eo no faharetany.
Notontosaina tamin’ny 8 novambra lasa teo tao Katsepy ny fiantobohan’ny tetikasa ary hapetraka amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy tsy mbola misy tambajotran-Jirama izy ity eo am-piandrasana ny fametrahana fotodrafitrasa miantoka jiro toy ny tanan-dehibe rehetra.
Fiaraha-miasan’ny minisitera mpiahy sy ny Jirama ny fanatanterahana io tetikasa io.
Mahandry