Jirama : hiato avokoa ny tolotra mampiasa ny nomerika

  • 27 janvier 2023
Miroso amin’ny fanatsarana ny fifandraisana amin’ny mpanjifa ny orinasa Jirama. Hanamorana izany, hisy ny fampiasana teknolojia vaovao na fametahana “serveur” vaovao hoy ny tomponandraikitra ambony eo anivon’ny orinasa androany 27 janoary nandritra ny valan-dresaka nifanaovana tamin’ny mpanao gazety.
Mitaky fampiatoana ny fampiasana ny tolotra nomerika rehetra izany. Hihidy avokoa araka izany ny toeram-pandoavam-bola rehetra manerana an’i Madagasikara ny zoma 3 febroary manomboka amin’ny 6 Ora hariva ka hatramin’ny alahady 5 febroary amin’ny 12 ora alina. Hiato koa ny fampiasana mailaka. Tsy hisy ny fandoavam-bola amin’ny alalan’ny finday ary ny fandoavam-bola sy ny fikirakirana ny agence en ligne. Tsy hisy koa ny fividianana fahana ho an’ny kaontera prépayé, ny fandraisana auto-relevé.
Manentana ny tsirairay, izay voakasik’izao asa izao ny orinasa jirama handray ny fepetra rehetra mifanaraka amin’izany.
Partagez :
Mahandry