Ivotoeram-pampianarana miankina amin’ny fanjakana: ampahafantarina mandritra ny”Salon de l’étudiant”

  • 22 août 2023

Mitambatra anaty hetsika “Salon de l’étudiant” ny Ivotoeram-pampianarana ambony miankina amin’ny fanjakana sy toeram-piofanana  mandray mpiasam-panjakana ny 24, 25 ary 26 aogositra ho avy izao ao amin’ny JJ Rabearivelo Analakely.

Miisa 80 ny mpandray anjara amin’ity hetsika karakarain’ny CIDST (Centre d’information et de documentation scientifiques et techniques) iarahany miasa amin’ny Telma ity.

Tsy mijanona amin’ny fampahafantarana ny tolotra fa miditra lalina kokoa amin’ny fanoroana lalana ny mpitsidika ny mpikaraka. Hisy ny famelabelaran-kevitra hiarahana amin’ny manam-pahaizana manokana. Anisan’ireo lohahevitra 6 hozaraina amin’izany ny fahaizana miteny eny imasom-bahoaka sy ny fifehezana fotoana. Hisy koa ny fifampizarana traikefa, Ary fijoroana vavolombelona hataon’ireo nandrato fianarana tamin’ireo ivotoerana ireo teo aloha.

Ho hita mandritra ny hetsika ny Ivotoera-mpapianarana rehetra misy manerana an’i Madagasikara. Hiavaka amin’izany ny fahatongavan’ny oniversite misahana ny  “formation en sciences qualité et hygiène” izay tsy misy afa tsy any Toamasina.

Tsy natao ho an’ny mpianatra ihany fa natao ho an’ny olona efa miasa koa ity hetsika ity hoy ny mpikaraka nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety androany 22 aogositra.

 

Partagez :
Sissie Raveloson