Ivon-toerana fandraisana any Moramanga : hanome fikarakarana sy fanohanana ho an’ireo olona marefo sy ny zokiolona

  • 9 février 2024

Natokana hikarakarana manokana ireo olona manana fahasembanana sy zokiolona ny ivon-toerana fandraisana ao Moramanga, faritra Alaotra Mangoro. Hitondra tombontsoa maro ho azy ireo ity ivon-toerana ity satria manolotra fikarakarana manokana mifanaraka amin’ny filan’izy ireo. Vokatry ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Mponina, ny foibe fandraisana ao Moramanga.

Ity fiaraha-miasa ity dia mikendry ny hanome fikarakarana sy fanohanana ireo marary sy ireo sahirana, izay hiantohana ny fitsaboana sy ny famatsiana fanafody tsy tapaka  araka ny nambaran’ny Talem-paritry ny mponina sy ny firaisankina ao Alaotra Mangoro.

Ahitana toerana fitsaboana ara-pahasalamana sy efitrano lehibe hanaovana fivoriana izay manamora ny asan’ny fikambanan’ny olona manana fahasembanana sy ny zokiolona ity ivon-toerana ity.

Notanterahina androany, zoma 09 febroary 2024, tao Moramanga ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy. Miaraka amin’ny fampandehanana ity ivon-toerana fandraisana ity dia kendrena ny hametrahana zo mitovy ho an’ny olona marefo mila fanampiana ara-tsosialy, ao anatin’ny fandaharan’asan’ny filoha Rajoelina Andry, sy ho fampiroboroboana ny fifanakaikezana sy fanohanana ny mponina.

Partagez :
mialy