Itasy : ala tapia 9 000 Ha havadika ho faritra arovana

  • 2 octobre 2022
Ho lasa faritra arovana (Aire protégée communautaire) ny ala tapia mirefy 9 000Ha tantanan’ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) ao Arivonimamo sy Miarinarivo. Ho fanamafisana ny fiarovana sy fanomezan-danja ity ala mampiavaka ny faritra Itasy ity no antony.
Tombony ho an’ny faritra ny fisian’ny ala tapia ary iankinan’ny asa fiharian’ny mponina. Izany no mahatonga ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Foibe iraisam-paritry ny Tontolo iainana Itasy-Bongolava , ny VOI ary ny mpiara-miombona antoka, toy ny Planète Urgence sy ny AFD mifanome tanana ny hametrahana ny ala tapia ao Itasy ho faritra arovana.
Tontosa tao Miarinarivo ny 27 septambra teo ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa fametrahana ho faritra arovana ny Ala tapia ao Itasy, izay notarihan’ny talen’ny Kabinetran’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny manam-pahefana sy olom-boafidy maro avy ao amin’ny faritra, ny solon-tenan’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, ny AFD ary ireo VOI.
Partagez :
Mahandry