Imerintsiatosika: nahazo toeram-pivarotana manaraka ny fenitra ireo mpivarotra

  • 6 décembre 2023

Mpivarotra manodidina ny 500 no vinavinaina hahazo toerana hivarotana ao amin’ny tsenaben’ny firaisankina ao Imerintsiatosika izay notokanana androany 6 desambra 2023.

Ho atao laharam-pahamehana ireo efa nivarotra teo amin’io toerana nananganana ny fotodrafitrasa io izay miisa 300 araka ny nambaran’ny ben’ny tanàna Parisoa Andriambolanarivo, eo koa ireo mivarotra manakaiky ny arabe ary manodidina ny tsena. Ho atao mangarahara tanteraka kosa ny fizarana ny ambiny. Fotodrafitrasa maro no notokanana ankoatra izay toy ny lalana rarivato, toerana famakiam-boky ary ny lapan’ny fanorona.

 

Fifanomezan-tanana tamin’ireo mpitantana sy ny vahoaka no nahavitana izao fotodrafitrasa izao. Lehilahy 8 isaky ny fokontany 36 isan’andro no niaraa-nientana tamin’ny fananganana ny trano. Tsy nisalasala ireo vahoaka namaly ny antso avy tamin’ireo sefo fokontany na dia tsy nisy tambiny aza. Nanaiky natao fitaovam-pampandrosoana ho an’ny tanàna izay tsy nisy tambiny.

Ankoatra izay dia hafindra amin’ny toerana iray izay efa andalam-panamboarana ny toby fiantsonana ho an’ireo koperativa rehetra tsy ankanavaka ny Kaominina izay vinavinaina ho vita ny volana Aprily 2024. Natao izany mba hisorohana ny fitohanan’ny fiara amin’ny lalam-panorenana voalohany.

Ezaka lehibe ho an’i Imerintsiatosika kosa ny fikojakojana noho ny fahamaroan’ny fivezivezena sy ny vahiny eny an-toerana, indrindra rehefa fotoanan’ny tsena ny  Alarobia.

Partagez :
Natacha Hasimbola