Ihorombe: “aza maimaika hiroso hanambady alohan’ny fotoana anareo anakapela…fa mianara avao heky hahay raha”

  • 7 octobre 2021

Fankaherezana sy famporisihana ary fananarana ny lanjan’ny fianarana sy ny fanabeazana manoloana ny fivoaran’ny tahan’ny firosoana amin’ny fanambadiana aloha loatra izay tsikaritra tato ho ato any amin’ny faritra Ihorombe no napetraky ny lehiben’ny faritra nadritra ny fitokanana ny EPP Tanamasoandro tao amin’ny fokontany Ivandrika, kaominina Zazafotsy, ny 06 oktobra teo.

Nahitsy ny fanambarana, izay notaterin’ny talen’ny kabinetran’ny faritra, Clarisse Manjary, “ny fianarana no lova tsara indrindra rankizy, aza maimaika hiroso hanambady alohan’ny fotoana anareo anakapela, ko maiky hirendrarendra gne kidabo, fa mianara avao heky hahay raha”.

Manan-danja be ao amin’ny faritra ny fisian’ity sekoly ity, izay voalohany ao amin’fokontan’i Ivandrika. Mitoka-monina io toerana io, lavitra vao mahita sekoly ny ankizy ka mamporisika ny fanambadiana aloha loatra ny tsy fisian’ny fanabeazana manakaiky vahoaka, raha ny fanamafisana avy tamin’ny mpanao gazety avy any an-toerana.

Ahitana efitra roa ity sekoly ity izay fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ireo fikambanana mpanao asa soa mahalala-tanana, ary ny fanjakana izay soloan-tenan’ny Governora sy ny DREN.

Partagez :
Mahandry