Social

Hosoka : kapila mangirana piraty miisa 477 nogiazana, olona iray voasambotra

Lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Malm no nosamborin’ny sampan-draharaha miady amin’ny fanaovana hosoka na “Brigade Anti-Piratage” (BAP) io maraina io tetsy Ampefiloha Ambodirano.

Mpanao piraty ireo sarimihetsika no tena asa fivelomany. Rehefa nanao ny fisavana tao an-tranony ny mpitandro ny filaminana dia nahatratra ny fitaovana fampiasany toy ny “duplicateurs”, solosaina sy “écran plat” ary notazomina ao amin’ny BAP eo Anosy. Tra-tehaka tao ihany koa ireo DVD piraty miisa 477 : 269 tamin’ireo ahitana horonan-tsary sy hira gasy, 100 horonan-tsary vahiny, 30 horonan-tsary mamoa-fady ary 78 “matrices” gasy sy vahiny.

Enim-bolana ka hatramin’ny 5 taona an-trano maizina ny sazy miandry ny mpanao hosoka ary lamandy 20.000 ariary ka hatramin’ny 200.000 ariary no miandry azy, miankina amin’ny didy avoakan’ny fitsarana. Tokony hanana fanomezan-dalana na “licence” avy amin’ny OMDA avokoa ireo mpampanofa horonan-tsary rehetra na vahiny na gasy raha ny nambaran-dRandrianandrasana Dimbiaritiana Manitrala lehiben’ny fanatanterahana ny asa ao amin’ny BAP. Marihina fa ireo fitaovana tratra ireo dia ho dorana avokoa.

Tetikasan’ny BAP ny hanadio ny toerana mpampanofa horonan-tsary rehetra manerana an’i Madagasikara.

 

 

Articles similaires

Fermer