hahazo « porte-chars » sy « camions tracteur » enina ny faritra

  • 29 juillet 2021

Hotolorana « porte- chars » miisa enina  sy « Camions tracteurs » miisa enina  ny faritra amin’ity taona ity ao anatin’ny “Nouveaux Projets d’Émergence” (NPE).

Efa nisy ny fanomezana fitaovana vaventy miisa dimy isaky ny faritra fa mba hanamoràna ny fivezivezen’ireo fitaovana vaventy ireo, dia nangatahan’ny minisiteran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana ny hanomezan’ny Fanjakana, ao anatin’ny « Nouveaux Projets d’Emergence » (NPE) ho an’ny taona 2021, « Camion-tracteur » sy « Porte Char » ho an’ny Faritany tsirairay avy.

Izao no hatao dia mba fanatanterahana ny velirano faha 12-ny Filohan’ny Repoblika, ary hahafahan’ireo faritra manatanteraka amin’ny antsakany sy andavany ny asa hiandraiketany ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy, indrindra ho an’ny asa fanarenana sy/na fanamboarana ireo làlana kaominaly, mba tsy hisian’ny fitokanamonin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

Partagez :
Mahandry