Hitombo avo telo heny ny fako plastika amin’ny taona 2040

  • 6 juin 2023

Raha 400 tapitrisa taonina isan-taona ny fako plastika miparitaka maneran-tany ankehitriny dia mbola hitombo avo telo heny izany amin’ny taona 2040 raha mitohy ny tsy fitandremana sy ny tsy fisian’ny politika mazava hiadiana amin’ny fiparitahany, araka ny tomban’ny WWF Madagascar.

Anisany manafaingana ny fitomboan’ny fako plastika ny famokarana sy/na fanjifana ireo karazana vokatra mifono plastika. Manano sarotra akara izany ny fifehezana ny fiparitahan’ny plastika.

Na izany aza, nisy ny fandaminana nataon’ny kaominina amin’ny fanavahana ireo karazana fako. Izany hoe hatokana ny fako plastika sy ny fako hafa toy ny ambin-tsakafo sy ny potin-damba ary ireo karazany hafa.

Efa misy ny komity iombonana mandrindra ny tetikasa fanatsarana ny fitantanana ny fako, ho an’Antananarivo. Toy izany koa ny any amin’ireo renivohi-paritany sasany toa an’i Toamasina, izay efa hananganana ny ivontoerana fanodinana fako plastika ho akora hafa.

Tafiditra indrindra ao anatin’ny  »Vahaolana amin’ny fandotoana ateraky ny plastika » izany, izay lohahevitra noraisina tamin’ity faha 50  taona nankalazana ny 5 jona, andro maneran-tany ho an’ny Tontolo iainana ity.

Tsiahivina fa nisy ny fivoriana niarahana tamin’ny Firenena mikambana, natao tany Paris ny herinandro teo, mikasika ny fandotoana platsika maneran-tany. Nisongadina nandritra izany ny firaisan-kina mba tsy hisian’ny plastika eny amin’ny natiora. Tsy maintsy handray fepetra araka izany ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny hamahana ny olana ateraky ny fiparitahan’ny plastika.

Maro ny voka-dratsy azo avy amin’ny fiparitahan’ny fako plastika, na ho an’ny tontolo iainana na ho an’ireo karazan-java-mananaina, an-tanety sy an-dranomasina ary koa eo amin’ny fahasalaman’ny vatan’olombelona.

Partagez :
Mahandry