Hisy fahatampahana ny jiro manerana ny tambajotran’Antananarivo noho ny asa fanamboarana ao Andekaleka

  • 28 octobre 2021

Ny fahasimban’ny groupe faha 3 manana tanjaka 30MW ao Andekaleka no nahatonga ny fahatapahan-jiro nanerana an’Antananarivo ny 27 oktobra. Andalam-panamboarana izany ny teknisianina eo anivon’i JIRAMA raha ny voalazan’ny minisiteran’ny Angovo sy Akoran’afo. Milaza sahady izy ireo fa mbola hisy hatrany ny fahatapahana mandrapahavitan’ny fanamboarana.

Tsy maintsy amboarina amin’ny faran’ny herinandro ilay fantsona lehibe simba mitahiry rano mamokatra herinaratra ialana amin’ny mety fihitaran’ny fahasimbana. Horitina ny rano ary tsy maintsy ho tapaka ny famatsiana herinatra manerana an’Antananarivo. EfA voavoatra kosa ny Groupe 1 sy groupe 2 nitarika fahatapahana tamin’ny alahady. “Court circuit” tao amin’ny “centrale hydroélectrique” Andekaleka no antony fahatapahan’ny jiro tamin’ny toerana maro teto Antananarivo raha ny fanazavana azo avy amin’ny JIRAMA.

Partagez :
Mahandry