Hira gasy : ho vita afaka herinandro vitsivitsy ny kianja etsy Anosy

  • 15 mai 2023
Mizotra araka ny tokony ho izy ny asa fanamboarana ny kianjan’ny Hira gasy etsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy. Nitsidika izany teny an-toerana ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy ny zoma 12 mey 2023.
Heverina ho vita tanteraka afaka herinandro vitsivitsy ity kianja ity. Ho maimaimpoana ho an’ny mpisehatra amin’ny Hira gasy ny fampiasana azy. Takina amin’ny mpampiasa azy kosa ny fandraisana anjara amin’ny fikojakojana.
Tanjona amin’ny fananganana izao fotodrafitrasa izao ny hanomezana sehatra sy hampiroboroboana ny Hira gasy eto Madagasikara. Sambany teo amin’ny tantara no hanana fotodrafitrasa manaraka ny fenitra toy izao ity zava-kanto iray ity, izay anisan’ny mampiavaka ny kolontsaina malagasy.
Ankoatra ny fananganana ity kianja ity, efa natolotra ny foiben’ny UNESCO Paris, tamin’ny volana avrily 2022 koa ny antontan-taratasy ho fangatahana ny hampidirana ny Hira gasy ao anatin’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona na “patrimoine immateriel de l’humanité”. Amin’ny faran’ity taona ity no andrasana ny fanapahan-kevitra momba izany.
Marihina fa ankoatra ny Hira gasy , efa tafiditra ao anatin’ireo harem-bakoka ara-tsaina koa ny kabary malagasy, ny volana desambra 2021 , rehefa neken’ny “comité intergouvernemental “ izay ivondronan’ny firenena mikambana ao amin’ny UNESCO. Taorian’izay dia nankalazaina isaky ny volana janoary ny androm-pirenena ho an’ny Kabary.
Partagez :
mialy