Hihamafy ny fahatapahan-jiro

  • 10 octobre 2022

Ho tapaka mandritry ny 4 andro ny famokarana herinaratra avy amin’ny tobim-pamokarana Andekalekaleka. Hanomboka ny zoma 14 oktobra amin’ny 10 ora alina araka izany ny fahatapahana ary tsy hiverina amin’ny laoniny raha tsy ny talata faha-19 oktobra amin’ny 5ora maraina

Anton’izany ny fametrahana ny vondrom-pihary herinaratra faha 4 izay hampakatra ny tanjaka hatramin’ny 120MW. Hisy fiantraikany amin’ny famatsiana herinaratra sy rano ho an’ny tambajotra iraisan’Antananarivo sy ny manodidina izany.

Hitombo na haharitra kokoa ny fahatapahan-jiro mifandimby amin’ny toerana maro eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina.

Partagez :
Mahandry