Hetsika « Big Bounce » : fifaninana aram-panatahan-tena nokarakarain’ny Oniversite BEATI sy ny Kaominina andrenivohitr’ i Toamasina

  • 31 juillet 2023

« Hanabe ny tanora ao anatin’ny fanatajahantena hialana amin’ny zavamahadomelina ».Io no kendren’ity i hetsika ity,  fijery izay  hitovizan’ny Oniversite BEATI  sy ny Ben’ny tanàna Nantenaina Rakotonirina.

Tanora maro avy amina lisea tsy miankina amin’ny fanjakana ao Toamasina no nandray anjara tamin’ny fifaninana taranja basketball tao anatin’ny hetsika « Big Bounce ». Norombahan’ny  Saint Joseph de Cluny ny amboara tamin’ity hetsika ity.

« Tafiditra amin’ny fanohanana ny tanora izao hetsika aram-panatanjahantena izao satria ny mpianatra no nikarakara azy ary tanterahany teo ambany fitarihan’ ny mpanabe izany. Tafiditra anatin’ny fitantanana tetikasa ratovon’ny mianatra izany. Tsy afaka hifitotra amin’ny fampianarana akademika fotsiny ihany izany fa Mila fampiarana indrindra indrindra. Ity farany izay fototry ny fampianarana ao amin’ny Oniversite Beati hoy ny taleny, Mbola Rakondrahanta

Partagez :
Carinah Mamilalaina