HCC : « Tsy afaka hitsara izahay raha tsy misy ny fitoriana voaray»

  • 22 novembre 2023

Manao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy ny Filohan’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana, Florent Rakotoarisoa, mba hametraka fitoriana miaraka amin’ny porofo raha nahita tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fotoam-pifidianana. Maro ireo milaza any anaty haino aman-jery samihafa fa nahitana tsy fanarahan-dalàna ny fifidianana izay notanterahana ny 16 novambra lasa teo.

« Tsy afaka hitsara izahay anefa raha tsy misy ny fitoriana voaray» hoy hatrany izy. Nametraka ny tatitra amin’ny ampahany ny fahitan’izy ireo ny fizotran’ny fifidianana filoham-pirenena teto Madagasikara ny solontenan’ireo vondrona mpanara-maso iraisam-pirenena androany 22 novambra 2023 teny amin’ny HCC. Ho dinihan’ireo mpikambana eo anivon’ity rafitra ity izany mba entina hanatsarana izay lesoka tanatin’ny fizotran’ny fifidianana.

Partagez :
Natacha Hasimbola