Handray anjara amin’ny fivoriamben’ny firenena mikambana any New York i Madagasikara

  • 8 septembre 2021

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra natao tao amin’ny lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia fa handray anjara amin’ny herinandron’ny fivoriamben’ny firenena mikambana ara-potoana, andiany faha-76 ny faha-14 hatramin’ny 28 Septambra 2021, ao New York, i Madagasikara.

Ny lohahevitra amin’io Fivoriambe io dia ny hoe  ” Construire la résilience par l’espoir, pour se remettre du Covid-19, reconstruire durablement, répondre aux besoins de la planète, respecter les droits des personnes et revitaliser les Nations Unies ».

Amin’io fotoana io ny Filohan’ny delagasionina Malagasy, izay mbola tsy fantatra hatreto, dia handray fitenenana any an-toerana mandritra ireo adi-hevitra izay hanomboka ny 21 Septambra ary hifarana ny 27 Septambra 2021 ho avy izao. Fotoana izay hahafahany hampita ny fomba fijerin’ny Governemanta Malagasy mikasika ireo lohahevitra ireo.

Araka ny mahazatra, ho hita mandritra ity Fivoriana ity ihany koa ireo hetsika mifanindran-dalana amin’izany, izay hotontosaina kosa amin’ny fomba ampitain-davitra na « virtuel » nohon’ny toe-draharaha ara-pahasalamana

Partagez :
Mahandry