Halatra tany teny Isahafa : nidoboka am-ponja vonjimaika ireo tompona antoka

  • 4 janvier 2024

Voatazona am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay tale iray eo anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy tomponandraikitra ambony iray hafa voarohorohy tamin’ny tarahara halatra tany teny Isahafa, Anosy Avaratra.

Androany 4 janoary 1024 no niakatra fampanoavana teny amin’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC) Antananarivo ny raharaha. Rehefa avy nandalo ny lehiben’ny fampanoavana ny antontan-taratasy mikasika ny raharaha dia nandalo famotorana lalina tao amin’ny Sojaben’ny Mpitsara (Doyen de juge) izay namoaka ny didy, tamin’ny 4 ora 50mn.

Kolikoly sy fanararaotam-pahefana no vesatra niampangana azy ireo.

Partagez :
Romuald