Haintrano Antsohihy: tokantrano maherin’ny 40 tsy manan-kialofana

  • 5 octobre 2022
Trano am-polony maro no levon’ny afo nandritra ny haintrano nitranga tao Antsohihy androany alarobia 05 oktobra, tamin’ny 1 ora antoandro. Tokantrano tsy latsaky ny 40 no tsy manan-kialofana sy rava fananana vokatr’izany. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.
Peut être une image de feu et plein airTsy fantatra mazava ny anton’ny firehetana. Nanampy trotraka tamin’ny fitaran’ny afo ny fahateren’ny toerana misy ny trano. Mitafo satrana sy fanitso koa ny ankamaroany, izay samy mora mirehitra avokoa. Nanao tazan-davitra koa ny ankabetsahan’ny olona tokony hanampy tamin’ny famonoana ny afo. Tsy manana sampana mpamonjy voina rahateo ny ao Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia.
Tonga nankahery sy nitondra fanampiana vonjimaika ho an’ny tra-boina ny iraky ny Fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy, notarihin’ny prefen’Antsohihy. Vary 8 gony, voamaina, paty, bodofotsy, ronono ary menaka no natolotra.
Partagez :
Mahandry