Hahemotra ny 4 Septambra ny fanokanana ny kianja Barea.

  • 30 août 2021

“Hahemotra ny 4 Septambra 2021 ny fanokanana ny Kianja Barea etsy Mahamasina” hoy ny Filoha Andry Rajoelina, io maraina io, nandritry ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Tsy misy fiovana kosa ny fandaharam-potoana amin’ny lalao hihaonan’ny Ecureuils avy any Bénin sy ny Barea an’i Madagasikara, ny 2 Septambra ho avy izao.

Ho tonga eto an-toerana ireo teknisianina avy amin’ny CAF (Confédération Africaine du Football) hijery akaiky ny zava-misy hoy ihany ny Filoham-pirenena manoloana ilay taratasy nivoaka ny zoma 27 Aogositra teo iny izay milaza fa “tsy azo hatrehan’ny mpijery ny lalao baolina kitra hihaonan’i Madagasikara sy Bénin hatao ny 2 septambra 2021”.

Efa fantatrin’ny Filohan’ny Repoblika ireo izay niketrika iny taratasy iny ary tsy nanafina ny fahatezerany izy manoloana ireo tomponandraikitra eo anivon’ny FMF (Fédération Malagasy du Football) izay tsiahivina fa nandefa “taratasy fangatahana” tany amin’ny CAF.

Efa nisy hoy ny filoha ny taratasy fampilazana tany amin’ny FIFA sy ny CAF nataon’ny Minisitera misahana ny Fanatanjahan-tena ka nampametra-panontaniana azy ny mbola nanaovan’ny FMF an’io fangatahana io. Toy izany koa ny nahafahan’ny FMF nametraka tamin’ny fangatahana hoe “olona miisa 1 500 ihany no afaka hanatrika ny lalao”.

“Fingana ilay fihetsika nataon’ny FMF no sady tsy fanomezana hasina ny mpilalao malagasy izay tokony ho mendrika ny fitokanana ny Kianja Barea izay hanehoan’ny Malagasy rehetra ny firaisankina koa” hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Io maraina io no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato ny Filohan’ny Repoblika an’i Madagasikara niaraka tamin’ny ampahan’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipan’ny Barea.

Partagez :
Mahandry