Fromazy : manana anjara toerana eo amin’ny fanjifana anatiny

  • 9 juin 2023

Anisan’ny sakafo mitondra sokay be indrindra ny fromage. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fananana taolana sy nify mafy izany ary  manampy amin’ny fahasalama amin’ny ankapobeny. Feno ny otrik’aina entiny. Ny sokay, zinc, phosphore, magnésium, potassium, vitamines A, B2 sy B12 no tena entin’ny fromazy eo amin’ny vatan’ny olombelona.

Ankoatran’ny fromazy vita malagasy izay mampiroborobo ny tontolon’ny famoronana asa madinika dia misy ihany koa ireo vokatra avy any ivelany izay tena betsaka mpanjifa. Ohatra amin’izany ny fromazy amin’ny boaty. Raha ny antontan’isa nomen’ny orinasa mpanafatra iray dia  tafakatra 3 hetsy hatramin’ny 5 hetsy ny boaritra  fromazy “la Vache qui rit” lanin’ny malagasy  isam-bolana. Raha izany dia manana anjara toerana eto Madagasikara ohatran’ny any ampita  ity fromazy ity.

Ankehitriny dia mankalaza ny faha 102 taonany ny marika ary maro ny hetsika maneran-tany entina hanamarihana izany. Teto madagasikara ohatra dia nisy ny fisarihana nanomezana loka sy fampisehoana niarahana tamin’ny Momota. Mbola hitohy ity fankalazana ity mandritra ny taona amin’ny alalan’ny hetsika samihafa.

Partagez :
Sissie Raveloson