FPJ : ampidirina ao anaty fiofanana ny fahalalana fototra

  • 31 janvier 2022

Ampidirina ao anaty fiofanana ny fahalalana fototra, ho an’ny andiany faharoan’ny fampiofanana matianina ny mpanao gazety na ny FPJ.

Ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no mikarakara sy miandraikitra izany. Hisy ihany koa ny ”spécialisation” amin’ny farany, izay hisafidianan’ny mpanao gazety ny sehatra tiany hifotorana bebe kokoa ary hahazoany ”certificat”. Ho an’ity andiany indray mihira ity, mpanao gazety miisa 80 avy any aminnny faritra samihafa no hofanina ety amin’ny CEFOM.

Manomboka androany ny fampivondronana voalohany ho an’ny Niveau 2, raha tamin’ny herinandro ny an’ny Niveau 1.

Ny herinandro ho avy kosa ny fampivondronana ny mpanentana fandaharana.

Partagez :
Mahandry