« Forum national pour la relance de l’Artisanat » : hamaritana ny filàna sy vahaolana ho an’ny mpanao asa tanana

  • 30 septembre 2022

Natao hahazoana ny hevitry ny mpanao asa tanana, ny filany sy ny olana sedrainy ary indrindra ny vaha olana mifanandrify amin’izany ny « Forum national pour la relance de l’Artisanat » hatao eny amin’ny MBC Ivato ny 7 oktobra izao, hoy ny minisitry ny Asa tanana sy ny Haitao, Sophie Ratsiraka. Efa natomboka tamin’ny faritany io fakan-kevitra io. Tsy maintsy hampiharina ny fehin-kevitra mivoaka ary hatolotra ny Antenimiera ny ampahany mendrika hatao lalàna, toy ny fiarovana ny mpanao asa tanana, hoy ny minisitra.

Hasongadina amin’izany : ny fampananana asa; ny fiarovana ny mpana asa tanana sy ny mpamorona; ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny fanaovana asa tanana; fiarovana ny akora fototra sy ny fambolena ary ny famokarana azy ireny; fametrahana ny tranoben’ny mpanao asa tanana isam-paritra; fanamboarana boky mirakitra ny mpanao asa tanana; fametrahana rafitra ivondronan’ny mpisehatra, izay ilaina amin’ny fahazoana tohana avy ny ivelany. Horesahina koa ny fitadiavana lalam-barotra, izay mampikaikaika ny mpanao asa tanana ankehitriny…

Anisan’ny sehatra lehibe amin’ny famoronana asa ny asa tanana, izay ahitana karazany 164 eto Madagasikara. Tafiditra amin’izany, manomboka amin’ny fikirakirana sy ny fanodinana akora isan-karazany, hatramin’ny fivarotana azy ireny, izay mitaky fahaiza-manao. Tamin’ny taona 2013 no nisy hetsika farany teo anivon’ny mpana asa tanana teto Madagasikara. Hiray feo ny mpisehatra rehetra amin’ity mba ho henon’ny daholobe sy ny solombavambahoaka, hoy ny minisitra Sophie Ratsiraka.

Partagez :
Mahandry