FOP : miato aloha ny fampidirana mpiasam-panjakana

  • 27 février 2024

Naato ny fampidirana mpiasam-panjakana, mandrapahavitan’ny fanisana sy fijerena ny fahaiza-manaon’ny mpiasam-panjakana izay ataon’ ny minisitera misahana ny Asa amin’izao. Anton’izany ny hisorohana ny mety ho korontana. ”Tsy miato maharitra akory izany fa mandra-pahavitan’ny fanavaozana ny fitantanan-draharaha”, hoy ny minisitra, Razakabaona Hanitra Fitiavana.

Dingana iray amin’ny enina, anatin’ny drafitra hanatrarana ny 100 andro fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana izany. Aorian’izay no hirosoana ny fanaparitahana ny mpiasa, araka ny fahaiza-manaony sy ny filan’ny fitaleavana anatina minisitera iray. Mety ho any amin’ny faritra hafa, mety ho any amina rafitra na sampandraharaha hafa koa.

Mitohy kosa ireo karazana fifaninana, toy ny fifaninana hidirana ho miaramila sy/na  mpitsara sy ny mpiraki-draharaha eny anivon’ny Fitsarana mba hanatrarana ny tanjon’ny fanjakana dia ny hametrahana ny olona mendrika misahana ny asam-panjakana.

Nanamafy ny minisitry ny Asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana, fa ”tsy hisy ny fanalana mpiasam-panjakana faobe, fa fanavaozana fitantanan-draharaha no atao”.

Partagez :
Nirinasoa Tafita