Fonja vaovao Imerintsiatosika : tafiditra anatin’ny fanajana ny zon’olombelona

  • 17 septembre 2021

Vita, ary natolotry ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fomba ofisialy androany 17 septambra ny fonja vaovao manara-penitra ao Imerintsiatosika, distrikan’Arivonimamo, faritra Itasy.

Fonja manaraka ny fenitra iraisam-pirenena izy ity, ahitana efitra 16 mahazaka voafonja 30 hatramin’ny 50 isanisany ; izany hoe 480 hatramin’ny 800 eo ho eo ny fitambaran’ny voafonja zakany. Raitra ny rafitra fiambenana sy fanaraha-maso ny fonja. Tafiditra anatin’ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana sy fanajana ny zon’olombelona ny fametrahana fonja vaovao sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, hoy ny filoha Andry Rajoelina.

Tsy raisina ho afobe ny ao anatin’ny fonja fa toerana itaizana sy amolovalona ny olona voasazy ho lasa olom-banona afaka miverina eo anivon’ny fiarahamonina. Antony nirosoana tamin’ny fananganana fonja, ankoatra izay, ny fahitana fa tsy mifanaraka amin’ny isan’ny voafonja intsony ny fotodrafitrasa misy eto Madagasikara. Eo amin’ny 1 1000 eo ny tokony ho zakan’ny fotodrafitrasa misy amin’izao ; roa aliny mahery anefa ny voafonja eto amintsika. Toerana maromaro koa amin’izao fotoana izao no efa misy fonja an-dalam-panamboarana.

Notsiahivin’ny Filoha fa tany amin’ny 119 taona lasa izay no nisy fametrahana fonja lehibe voalohany teto Madagasikara, dia ny tao Antanimora tamin’ny taona 1902. Efa ho 40 taona mahery koa izay no nisy fanamboarana fonja lehibe farany teto Madagasikara, dia ny ao Tsiafahy tamin’ny taona 1980. Nohamafisina hatrany nandritra ny fanolorana ny fonja vaovao Imerintsiatosika androany fa fanajana ny zon’ny olombelona no antony anamboarana ny fonja. Nambaran’ny Filoha teo anatrehan’ny Minisitry ny Fitsarana, Imbiky Herilaza fa hohamafisina ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ny fonja; hapetraka koa ny tetikasa ahafahana mampiasa ny voafonja mba ho afaka mamokatra, toy ny fambolena sy ny maro hafa.

Partagez :
Mahandry