Foara Andrarangy : hampiakatra ny harikarenan’ny faritra Atsimo Andrefana taoriany valan’aretina Covid 19

  • 28 octobre 2021

Nosokafana taminy fomba ofisialy androany ny « Foire régionale économique et commerciale des 23 régions » izay nampitondraina ny anarana hoe “Andrarangy” . Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampivondronana ireo mpandraharaha sy mpividy ary hisintonana ireo mpampiasa vola hampiakatra indray ny harikarenan’ny Faritra Atsimo Andrefana taoriany valan’aretina Covid 19.

70 ny trano eva aranty ato anatin’ity foara ity. Mandray anjara ato daholo ireo distrika 9 mandrafitra ny Faritra,  mitondra ny vokatra mampiavaka ny tsirairay.

Farelle Yartina

Partagez :
Mahandry