Fizahantany: hisokatra amin’ny tsena indiana i Madagasikara

  • 22 février 2024

Maro ny hetsika hatao hampiroboroboana ny sehatry ny Fizahantany sy ny Asa tanana. Anisany kendren’ny minisitera misahana izany ny hivelarana bebe kokoa amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy hamerenana indray an’i Madagasikara ho toerana voalohany tsidihan’ny mpizahatany. Manampy betsaka amin’izany ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’iteo karazana fampirantiana any ivelany.

Eo am-panomanana izany indrindra ny minisitera, raha ny nambaran’ny minisitra, Randriamandranto Joël. Ankoatra izay, nambarany fa tratra ny tanjona tamin’ny nanaovana ireo karazana hetsika teo aloha. Nitombo ny mpizaha tany tonga nitsidika an’i Madagasikara, ary mbola mipetraka ny tanjona amin’ny hahazoan’i Madagasikara mpizahatany mihoatra ny 1 tapitrisa amin’ny taona 2028.

Partagez :
Nirinasoa Tafita