Fizahan-tany : mihamaro ny malagasy mitsidika an’i Madagasikara

  • 7 mars 2024

Nitombo 5 ka hatramin’ny 6 avo heny ny tahan’ny mpizahatany anatiny eto Madagasikara teo anelanelan’ny 2020 sy ny 2023. 12 000 ny isan’izany tany aloha ary tafiakatra 63 000 izany amin’izao. Midika izany fa miroborobo ny fizahantany anatiny, hoy ny tale jeneralin’ny Fizahantany, Andriamanohera Tsitohaina.

Anisany nahazoana izany vokatsoa izany ny fanaovana sy fikarakarana ireo karazana hetsika natokana ho an’ny Fizahantany toy ny Tsenaben’ny Fizahantany, izay hetsika natomboka tamin’ny vanim-potoan’ny fihibohana noho ny valanaretina Covid-19.

Noho izany indrindra no mbola nanohizana  sy hanohizana hatrany ny fanaovana ireo karazana hetsika mampiroborobo ny fizahantany eto Madagasikara. Miditra amin’ny andiany faha-7 ny mpikarakara ny Tsenaben’ny Fizahantany amin’ny 15 ka hatramin’ny 17 martsa izao, eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina.

Ankoatra ity hetsika ity, mitohy koa ny fanomezana vahana ny fizahantany anatiny amin’ny alalan’ny fampahafantarana ireo karazana tolotra ataon’ny mpisehatra eo amin’izany na eto an-drenivohitra na manerina ny faritra eto Madagasikara.

Partagez :
Nirinasoa Tafita