Fivorian’ireo Goverinoran’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena aty  amin’ny faritra atsimon’i Afrika.

  • 22 novembre 2023

Androany 21 novambra 2023 no nanomboka nivory ireo Goverinoran’ny Tahirimbola iraisam-pirenena aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika. Tanjona ny ahafahan’ireo firenena ireo hanana solontena misimisy kokoa ampahenoana ny feony.  Noresahana koa ny  hanampy toerana fahatelo ho azy ireo amin’ny Filankevim-pitantanana na ny  fanomezana seza fahatelo ny Vondrona aty Afrika nandritra ireo Fihaonam-ben’ny FMI.Fifandresen-dahatra no natao raha toa ka ny volana Oktobra 2024 no ho tontosaina ny fifidianana mahakasika izany

Manana mpandrindra na « administrateurs » 2 ireo firenena 45 Afrikana aty amin’ny Faritra Atsimon’i Sahara, ka mizara roa :  ny voalohany dia ireo firenena miteny anglisy (OEDAE) ny faharoa kosa dia ireo izay miteny frantsay (OEDAF).

Nandray anjara tamin’ny fivoriana i Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola  amin’ny maha Goverinora azy.

Partagez :
Mahandry